<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>11</hymn_number>
<title>Midera anao izahay, Andriamanitra ô TS11</title>
<lyrics>[V1]
 Midera anao izahay, Andriamanitra ô,
 Manaiky anao ho Tompo izahay;
 Ny tany rehetra dia mitsaoka Anao,
 Rain'ny mandrakizay.

[V2]
 Midera Anao ny anjely rehetra
 Ny lanitra sy ny mahery rehetra ao aminy
 Midera Anao, lalandava
 Ny Kerobima sy ny Serafima manao hoe:

[V3]
 Masina, masina, masina,
 Andriamanitra, Tompon'ny maro
 Manerana ny lanitra sy ny tany
 Ny fiandrianan'ny voninahitrao.

[V4]
 Midera Anao,
 Ny apostoly rehetra,
 Midera Anao,
 Ny mpaminany rehetra.

[V5]
 Midera Anao,
 Ny maritiora rehetra.
 Ny fiangonana eran'izao tontoloizao
 Manaiky Anao.

[V6]
 Ho Ray manam-piandrianana tsy hitafetra,
 Sy ny Zanakao-lahy tokana be voninahitra
 Ary ny FanahyMasina,
 Mpampionona ny fo.

[V7]
 Hianao no Mpanjakan'ny voninahitra,
 Ry Jeso Kristy ô,
 Hianao no Zanaky ny Ray,
 Zanany mandrakizay,

[V8]
 Raha nanalo-tena hamonjy ny olona Hianao,
 Dia tsy nolavinao ny hateraky ny virijina
 Rahefa nandresy ny herin'ny fahafatesana Hianao
 Dia novohanao ny fanjakan'ny lanitra mba hidiran'ny mino rehetra

[V9]
 Mipetraka ao an-tanana an kavanan'Andriamanitra Hianao,
 Ao amin'ny voninahitry ny Ray.
 Mino izahay fa ho avy Hianao
 Ho Mpitsara anay.

[V10]
 Izany no ifonanay aminao hanampy anay mpanomponao,
 lzay navotanao tamin'ny ranao soa indrindra.
 Ataovy ho isan'ny olo-nao 'zahay
 Any amin'ny voninahitra mandrakizay.

[V11]
 Tompo ô,vonjeo ny olonao,
 Ary tahio ny lovanao.
 Manapaha azy,
 Ary asandrato ho ambony mandrakizay

[V12]
 Isan'andro isan'andro
 Dia mankalaza Anao 'zahay,
 Ary mihoby ny Anaranao
 Izahay mandrakizay.

[V13]
 Mba miarova anay, Tompo ô,
 Tsy hanota izao anio izao,
 Mamindrà fo aminay, Tompo ô,
 Mamindrà fo aminay.

[V14]
 Tompo ô, aoka ho tonga aminay ny famindramponao
 Araka izay itokianay Anao.
 Tompo ô, Hianao, no itokiako,
 Aoka tsy ho menatra aho mandrakizay</lyrics>
</song>